coalition des radios

Faly izahay ato amin’ny Editions Jeunes Malgaches sy ny Coalition des radios (50 radios erak’i Madagasikara) mampahafantatra anareo fa hisy boky 6 izay navadika ho feo handeha maimaipoana isan’andro ao amin’ireo radio ireo mba hanomezana fialamboly ny ankizy sy amporisihina azy ireo ho tia mamaky boky mandritra izao fotoana tsy hianaran’ny mpianatra izao. Na dia misy aza ny fitokanamonina faobe ho an’ny Malagasy rehetra dia tsy tokony ho adinon’ny ankizy ny mamerin-desona sy mijerijery kahie indraindray. Amin’izao koa dia afaka hihaino tantara ihany koa izy ireo amin’ny vata fandraisam-peo isan’andro mandritra ny iray volana ka araho eto àry ny fandaharan’ireo radio misy any amin’ny faritra misy anao ahafahanao manaraka ireo tantara mahafinaritra nosoratan’ireo mpanoratra malagasy 4. Tsy iza izany fa Rakotoanosy Marie Michèle, Ralimahenintsoa Jeanne, Veloniaina Rabakoly ary i Arikaomisa Randria.
Dia mihainoa finaritra àry.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *