Bande sonore du livre « Maria, vakansy any Alaotra »

I « Maria Vakansy any Alaotra » no boky voalohany navoakan’ny éditions jeunes malgaches tamin’ny 2004. Rakotoanosy Marie Michèle no nanoratra azy. 16 taona aty aoriana dia mbola amidy foana io boky io ary efa navadika ho boky braille ihany koa ho an’ireo jamba. Tamin’ny 2016 no navadika ho feo ity boky ity mba hamporisihina ny ankizy rehetra ho tia mamaky boky.
Dia mihainoa finaritra daholo àry rankizy.

Ry Ray aman-dreny, aza adika na aparitaka ny boky navadika ho feo fa tsy manaja ny zon’ny mpamorona izany. Asaivo mihaino ny radio na mihaino eto ireo namanao manana zanaka te hihaino ny tantara. Misaotra anao sahady manaja ny zon’ny mpamorona izay nanao maimaipona ireto boky navadika ho feo ireto.

      MARIA-VAKANSY-ANY-ALAOTRA
1 005 vues

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *