Bande sonore du livre « Ny volon’i Cora »

I « Ny volon’i Cora » dia boky navoakan’ny trano famoaham-boky brezilianina Pallas tamin’ny taona 2013 tamin’ny teny Portugais (O Cabelo de Cora). Nadika tamin’ny teny frantsay aloha ny lahatsoratra (Les cheveux de Cora) vao nadikan’i Veloniaina Rabakoly tamin’ny teny malagasy tamin’ny taona 2014. 6 taona aty aoriana dia mbola amidy foana io boky io ary havadika ho boky braille ho an’ireo jamba amin’ity taona ity. Tamin’ny 2016 no navadika ho feo ity boky ity mba hamporisihina ny ankizy rehetra ho tia mamaky boky.

Dia mihainoa finaritra daholo àry rankizy.

Ry Ray aman-dreny, aza adika na aparitaka ny boky navadika ho feo fa tsy manaja ny zon’ny mpamorona izany. Asaivo mihaino ny radio na mihaino eto ireo namanao manana zanaka te hihaino ny tantara. Misaotra anao sahady manaja ny zon’ny mpamorona izay nanao maimaipona ireto boky navadika ho feo ireto.

      Ny volon'i Cora
379 vues

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *