Bande sonore du Livre « Ny hazo, ny rano ary ny rivotra »

Misaotra antsika rehetra fa nisy 253 ianareo no nihaino ny boky voalohany nalefa omaly. Ity indray àry ny faharoa. I « Ny hazo, ny rano ary ny rivotra » no boky faharoa navoakan’i Jeanne Ralimahenintsoa na Tatie Jeanne ao amin’ny Editions Jeunes Malgaches tamin’ny 2013. 7 taona aty aoriana dia mbola amidy foana io boky io ary efa navadika ho boky braille ihany koa ho an’ireo jamba. Tamin’ny 2016 no navadika ho feo ity boky ity mba hamporisihina ny ankizy rehetra ho tia mamaky boky.

Dia mihainoa finaritra daholo àry rankizy.

Ry Ray aman-dreny, aza adika na aparitaka ny boky navadika ho feo fa tsy manaja ny zon’ny mpamorona izany. Asaivo mihaino ny radio na mihaino eto ireo namanao manana zanaka te hihaino ny tantara. Misaotra anao sahady manaja ny zon’ny mpamorona izay nanao maimaipona ireto boky navadika ho feo ireto.

      Ny hazo_ny rano_ny rivotra final
425 vues

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *