Bande sonore « I Vonindrano sy i Zavonandro »

«I Vonindrano sy i Zavonandro» no boky voalohany navoakan’i Arikaomisa Randria tao amin’ny éditions jeunes malgaches tamin’ny 2017. Izy dia mpanoratra sy mpitantara angano malaza ary dia tena mahay manoratra tokoa. Efa navadika ho boky braille ihany koa ho an’ireo jamba io bokiny io tamin’ny heritaona. Raha vao nantsoina izy dia nanaiky namadika ny boky ho feo tao anatin’ny fotoana fohy mba hamporisihina ny ankizy rehetra ho tia mamaky boky amin’izao fotoana tsy hianarana izao.

Dia mihainoa finaritra daholo àry rankizy.

Ry Ray aman-dreny, aza adika na aparitaka ny boky navadika ho feo fa tsy manaja ny zon’ny mpamorona izany. Asaivo mihaino ny radio na mihaino eto ireo namanao manana zanaka te hihaino ny tantara. Misaotra anao sahady manaja ny zon’ny mpamorona izay nanao maimaipona ireto boky navadika ho feo ireto.

      IVONINDRANO SY IZAVONANDRO
384 vues

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *